<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tompo mahery Tsitoha FFPM299</title>
<lyrics>[V1]
 Tompo mahery Tsitoha,
 Faly izahay mahatsiaro,
 Fa Hianao Izay Loha
 Efa niantso olo-maro.
 // Mba hitohizan'ny asa,
 Asa natomboka teto //

[V2]
 Raiso ny saotra aman-dera
 Noho ny zavatra vita,
 Fa Hianao nampahery
 Ny mpiasanao izay tafita.
 // Raiso fa Anao samy irery
 Ny fahefana sy hery //

[V3]
 Dia hamasino ny asa
 Sy ny fiezahana mafy,
 Efa nataon'ilay mpiasa
 Tamin'ny fo sy ny hafy.
 // Ho voninahitrao, ry Tompo
 Izay niantso azy hanompo. //

[V4]
 Ary izahay izay mandova
 Sy ta-hanohy ny asa,
 Aoka ny toetra ho lova
 Horaisinay, enti-miasa.
 // Ho voninahitrao, ry Tompo
 Izay efa niantso mpanompo. //</lyrics>
<hymn_number>299</hymn_number>
<author>Ch Rasoanalvo</author>
</song>